Romans 8

1noho izany dia tsy misy fanamelohana intsony ankehitriny ho an’ireo izay ao amin’i Kristy Jesosy. 2Fa ny fitsipikin’ny Fanahin’ny fiainana ao amin’i Jesosy Kristy no nanafaka ahy tamin’ny fitsipikin’ny fahotana sy ny fahafatesana.

3Fa izay tsy afaka nataon’ny lalàna nohon’ny fahalemen’izany tamin’ny nofo, dia nataon’ Andriamanitra. Nandefa ny Zanany lahy tokana Izy tamin’ny endriky ny nofo feno fahotana mba ho fanatitra ho an’ny ota, ary nanameloka ny ota tao amin’ny nofo izy. 4Nataony izany mba ho tanteraka ao amintsika ny zavatra takian’ny lalàna, isika izay mandeha tsy araka ny nofo, fa araka ny Fanahy. 5Ireo izay miaina araka ny nofo dia mifantoka amin’ireo zavatry ny nofo, fa ireo izay velona araka ny Fanahy dia mifantoka amin’ireo zavatry ny Fanahy.

6Satria ny fisainana miorina amin’ny nofo dia fahafatesana, fa ny fisainana miorina amin’ny Fanahy kosa dia fiainana sy fiadanana. 7Ny fisainana miorina amin’ny nofo dia fandrafiana eo anatrehan’ Andriamanitra, fa tsy mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra izany, no sady tsy hainy akory ny manao izany. 8Ireo izay ao amin’ny nofo dia tsy afaka ny ho ankasitrahan’Andriamanitra.

9Kanefa, ianareo dia tsy ao amin’ny nofo fa ao amin’ny Fanahy, raha marina fa miaina ao aminareo ny Fanahin’Andriamanitra. Fa raha misy olona tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy Azy izy. 10Raha ao aminareo Kristy, dia maty nohon’ny fahotana ny vatana, fa ny fanahy dia velona nohon’ny fahamarinana.

11Raha ny Fanahin’Ilay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty no velona ao aminareo, dia Izy izay nanangana an’i Kristy tamin’ny maty no hamome fiainana ihany koa ho an’ny tenanareo izay mety maty amin’ny alalan’ny Fanahiny, izay velona ao aminareo.

12Noho izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika, fa tsy ao amin’ny nofo mba hiaina araka ny nofo. 13Fa raha miaina araky ny nofo ianareo, dia ho faty, fa raha amin’ny Fanahy izay amonoanareo ny asan’ny tena, dia ho velona ianareo.

14Fa tahaka ireo rehetra voatariky ny Fanahin’ Andriamanitra, izy ireo no zanak’Andriamanitra. 15Fa tsy nandray ny fanahin’ny fanandevozana indray ianareo ka hatahotra. Fa kosa, nandray ny Fanahin’ny fananganan-janaka ianareo, izay hiantsoantsoantsika hoe: “Aba, Ray ô!‘’

16Ny Fanahy mihitsy no vavolombelona amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. 17Raha zanaka isika, dia mpandova ihany koa, mpandova an’Andriamanitra. Ary mpiray lova ao amin’i Kristy isika, raha tena mijaly miaraka Aminy tokoa isika dia omem-boninahitra miaraka Aminy koa.

18Fa ataoko fa ireo fijaliana amin’izao fotoana izao dia tsy mendrika ampitahaina amin’ilay voninahitra izay ho haseho amintsika. 19Fa ny voahary rehetra izay manantena fatratra dia miandry ny fampisehoana ireo zanak’Andriamanitra.

20Fa ny voahary dia natao ho zava-poana, tsy nohon’ny sitrapony manokana, fa noho Ilay nanao izany. Izany dia ao amin’ilay toky nomena 21fa ireo voahary mihitsy no ho esorina amin’ny fanandevozan’ny fahalòvana, ary hitondra any amin’ny fahafahana ny amin’ny voninahitry ny zanak’Andriamanitra izany. 22Fa fantatsika fa ny voahary rehetra dia miara-misento sy miara-miasa ao anatin’ny fanaintainana na ankehitriny aza.

23Tsy izany ihany, fa na ny tenantsika aza, izay manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy_ na ny tenantsika aza dia misento ao anatintsika, miandry ny fananganana antsika ho zanaka, dia ny fanavotana ny tenantsika. 24Fa tamin’izany toky izany no namonjena antsika. Fa izay atokisantsika fa hitranga dia mbola tsy hita, fa iza no miandry am-patokiana izay efa hitany? 25Fa raha matoky amin’izay mbola tsy hitantsika isika, dia miandry izany am-paharetana.

26Tahaka izany koa, ny Fanahy dia manampy ao amin’ny fahalementsika. Fa isika tsy mahalala izay vavaka tokony ataontsika, fa ny Fanahy mihitsy no mifona ho antsika amin’ny fisentoana tsy hay tenenina. 27Izy izay mandinika ny fo no mahafantatra ny hevitry ny Fanahy, satria Izy no mifona ho an’ny mpino araka ny sitrapon’Andriamanitra.

28Fantatsika fa ho an’ireo izay tia an’Andriamanitra, dia miaraka ampiasainy ho amin’ny tsara avokoa ny zavatra rehetra, ([Fanamarihana: Raha tokony hoe “Miaraka ampiasainy ho amin’ny tsara avokoa ny zavatra rehetra,” dia ny dikan-teny sasany taloha manao hoe: “Ny zavatra rehetra dia miaraka miasa ho amin’ny tsara.”]) ho an’ireo izay voantso araka ny fandaharany. 29Satria ireo izay fantany mialoha, dia notendreny mialoha ihany koa mba hitovy endrika amin’ny Zanany, mba ho lahimatoa eo anivon’ireo rahalahy maro izy. 30Ireo izay notendreny mialoha, dia nantsoiny ihany koa. Ireo izay nantsoiny, dia nohamarininy ihany koa. Ireo izay nohamarininy, dia nomeny voninahitra ihany koa.

31Inona ary no tokony ho tenenintsika momba ireo zavatra ireo? Raha momba antsika Andriamanitra, iza no mahatohatra antsika? 32Izy izay tsy niaro ny Zanany lahy tokana fa nanolotra Azy ho antsika rehetra, ahoana no tsy hanomezany antsika maimaimpoana miaraka Aminy ny zava-drehetra ihany koa?

33Iza no hitondra fiampangana hanohitra ireo olom-boafidin’ Andrimanitra? Andriamanitra no ilay iray izay manamarina izany. 34Iza ilay iray hanameloka? Kristy no ilay iray maty ho antsika, ary mihoatra izany, natsangana ihany koa Izy. Manapaka miaraka amin’Andriamanitra eo amin’ny fitoeram-boninahitra Izy, ary Izy no ilay mifona ho antsika.

35Iza no hanasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana, sa fijaliana, sa fanenjehana, sa hanoanana, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? 36Araka ny voasotra hoe: “Noho ianao dia voavono andro lava izahay. Noraisina toy ny ondry ho vonoina izahay.”

37Ao anatin’izany zavatra rehetra izany dia mihoatra noho ny mpandresy izahay amin’ny alalan’Ilay iray tia anay. 38Fa resy lahatra aho fa na ny fahafatesana, na ny fiainana, na ireo anjely, na ireo fanjakana, na ireo zavatra ankehitriny, na ireo zavatra ho avy, na ireo hery, na ny avo, na ny lalina, na zavaboary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.

39

Copyright information for PltULB